Malagasy 1

  • ㆍISBN : 8983141476
  • ㆍPages : 396

MOA VE HIANAREO TENA ATERAKY NY RANO SY NY FANAHY INDRAY?

Paul C. Jong

Ny votoanton'ity lohateny ity dia " ny fahaterahana indray amin'ny Rano sy ny Fanahy". Izany no mampiavaka azy amin'ny hafa. Raha lazaina amin'ny teny hafa dia ity boky ity manambara amintsika mazava tsara inona no atao hoe ateraka indray ary ahoana no fomba aterahana indray amin'ny rano sy ny Fanahy araka ny lazain'ny Baiboly Ny rano manohatra ny batisan'i Jesosy teo amin'ny ony Jordana ary ny Baiboly milaza fa ny otantsika dia nifindra teo amin'i Jesosy avokoa rehefa nataon'i Jaona Batista batisa Izy. Jaona dia solon-tenan'ny olona rehetra ary taranak'i Arona mpisorona avo. Arona nametraka ny tànany teo amin'ny lohan'ny osilahy velona mba ho famelana ny fahotan'ny taona rehetran'i Israelita tamin'ny andro Fanavotana. Ity no alokin'ny zava-tsoa ho avy. Ny batisan'i Jesosy dia sarin'ny fametrahan-tànana. Ny batisan'i Jesosy dia natao tamin'ny fomba fametrahan-tànana teo amin'ny Jordana. Ka nalainy ny fahotana rehetran'izao tontolo izao amin'ny batisany ary nohomboana tamin'ny hazo fijaliana Izy handoavana an'izany ota izany. Nefa maro ny Kristiana tsy mahafantatra nahoana no nataon'i Jaona batisa teo amin'ny Jordana i Jesosy. Ny fototr'ity boky ity dia ny batisan'i Jesosy sy ny antoko tsy azo lavina ao amin'ny filazantsaran'ny Rano sy ny Fanahy Masina. Afaka ho ateraka indray isika raha mino ny batisan'i Jesosy sy ny Hazo fijaliany.

AUDIOBOOK
undefined
Due to COVID-19 and disruption to international mail service
we have temporally suspended our ‘Free Print Book service’.
In the light of this situation we are not able to mail you the books at this time.
Pray that this pandemic will end soon and the resumption of the postal service.